Actualités

Fitsarana Hiditra hiasa avokoa ireo sampam-pitsarana rehetra


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Hiditra hiasa avokoa ireo sampam-pitsarana rehetra manerana ny Nosy. Hisy valandresaka ho an’ny mpanao gazety ho fampahafantarana izany, hotanterahina ao amin’ny trano famakiambokin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany

 

 

 

 

Antananarivo ny alarobia 1 jolay 2020 amin’ny folo maraina. Taifitra amin’ny asa miandry ireo sampam-pitsarana isan’ambaratonga ny fanilihana ireo vary mangatsiaka, dia ireo dosie tsy mbola voatsara ka nampitombo izay tsy izy ireo olona voatana am-ponja. Nilaza ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana Andriamahefarivo Jhonny Richard, ny 22 jona 2020, fa « feno avokoa ny fonja » indrindra ny eto Antananarivo sy ny ao Toamasina. Nanome toromarika izy fa « tsy vahaolana ny fampidirana am-ponja isak’izay mihetsika (systématique) » saingy ankinina amin’ny fahaleovantenan’ny Mpitsara ny mandinika sy mandanjalanja ny didy raisiny. Heverina fa tafiditra amin’ny lojika fampihenana ny isan’ireo voatana am-ponja izao fiverenan’ny asa amin’ireo sampam-pitsarana rehetra izao, tsy nisy rahateo ny fanalefahan-tsazy nataon’ny fanjakana tato anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana nisesy izao na dia fantatra aza fa efa tafiditra any am-ponja ny covid-19.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT