Laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny famerenana ny fanjakana tan-dalàna, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Razafitrimo Lala Arisoa nandritra ny fivorian’ny GIS-M (Groupe International de Soutien-Madagascar) ny 9 jolay 2014 lasa teo
. Nohazavainy tsotsotra tamin’io fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka io fa tsy misy olona natao ambonin’ny lalàna izany fa rehefa manana raharaha eo anatrehan’ny fitsarana dia ilaina ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena Malagasy, ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fanenjehana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, izay nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana Ramanantenasoa Noëline rahateo. Ny mahazendana sy mampanontany tena ny fiarahamonina ao anatin’ilay karazana fanapahan-kevitra sokajiana mandeha ila ihany dia ny hoe efa mba nanao fanadihadiana ve ny fanjakana ara-dalàna momba ity raharaha ity sa dia nionona fotsiny tamin’ireo antontan-taratasy napetraky ny fitondrana tetezamita tsy nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ? Soso-kevitra miainga avy amin’ny resaky ny mpiara-belona eny ifotony moa ny tokony hanokafana fanadihadiana vaovao mihitsy momba ireo tranga marobe nanamarika ny fiainam-pirenena nanomboka tamin’ny taona 2009 raha tena vonona hanarina ny firenena ny mpitondra ankehitriny. Amin’izay mantsy dia sady hipoitra ny tena marina no hoporofoina eo ihany koa na mahaleotena ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara na tsia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.