Actualités

Fitsarana avo Minisitra 3 teo aloha hatao famotorana


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Efa vita tao anatin` ny asam-baomiera ny adihevitra sy fandinihana ireo fanenjehana rehetra mahakasika ireo raharaha nalefan` ny Fitsarana avo (HCJ) ka voarain` ny Antenimieram-pirenena. Hiroso amin`ny famotorana ny vaomiera manokana manao ny fanadihadiana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena.

 

 


Tsy mitovy amin`ny fitsarana tsotra kosa ny fandinihana ny raharaha, hoy ny mpikambana iray eo anivon` ity vaomiera manokana ity. “Ny porofo ihany no hahafahana manao ny fanenjehana na tsia an`ilay olona voatoroka. Ny asa atao amin`ny fanjakana mantsy dia misy porofo daholo ka izany no tena mipetraka. Ny raharaham-panjakana dia ahitana ny fomba nanolorana azy ho fantan`ny besinimaro, ny fomba namoahana ny vola. Raha misy fandikan-dalàna dia ny porofo an-rtaratasy ihany no mitoetra”. Fanodikodinam-bolam-panjakana, fanomezana tsenam-barom-panjakana tao anatin`ny kitranoantrano: ireo no anisan`ireo fanenjehana tena misongadina ka ministra telo teo amin`ny fitondrana teo aloha izay tena voakasika akaiky no handalo fanadihadiana. Ny talata 17 novambra ho avy izao no atao eo anatrehan`ny depiote, amin`ny alalan`ny fivoriana itambaram-be ny tatitry ny asam-baomiera izay atrehin`ireo mpikambana eo anivon` ny birao maharitry ny HCJ. Andrasana ny valin`ny famotorana ataon`ity vaomiera manokana ity mialohan`ny andefasana ny raharahaha eny amin`ny HCJ. Ity fivorian` ny parlemantera faharoa ity no hamantarana ireo tompon’andraikim-panjakana ambony na meloka na tsia amin`ireo raharaha nahavoasaringotra azy ireo.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT