Actualités

FITSARANA ARA-BOLA AO TOAMASINA Voasakan’ny politikan’antokom-panjakana ny asany


  • Alarobia 13 Aogositra 2014

Natsangana isaky ny faritany ny fitsarana ara-bolam-panjakana nandritra ny fametrahan’ny fitondran-dRavalomanana ny mangaraharaha amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, sy ny fitantanana ara-drariny ny volam-bahoaka isam-paritra, saingy ankehitriny indrindra nandritra ny tetezamita dia tsy afaka nivelatra tamin’ny asa nankinina tamin’izy ireo ireo mpitsara misahana izany. Isan’ny andraikitra ireo mpitsara ara-bolam-panjakana ireo ny fanaovana fanadihadiana (audit)

ny fitantanam-bolam-bahoaka amin’ireo kaominina sy ny faritra, saingy noho ny sakana ara-politika indrindra ny teo anivon’ny fitsirihana ny volan’ny faritra mahatonga baiko midina mazana, dia tsy afaka nanao izany ireto mpitsara. Efa ho enin-taona izao tsy mbola nandalo fitsarana teo anivon’ity fitsarana ity ny fitantanam-bolan’ny faritra miisa 03 ao Toamasina. Ny eo anivon’ny kaominina kosa dia ireo kaominina ambanivohitra no mazana mahatonga ny fitantanam-bolany eo anivon’ity fitsarana ara-bolam-panjakana ity, ireo kaominina ambonivohitra ao Toamasina kosa hatreto mbola tsy nisy nahavita izany. Efa nisy ny fanadihadiana nataon’izy ireo ny taona 2010 izay natao mba hanatsarana ny fampidiram-bolan’ny kaominin’i Toamasina, nefa hatreto tsy nisy namaly teo anivon’ny kaominina ny tatitra natao, na ny PDS teo aloha Rakotovao Mariot, na ny PDS ankehitriny Toalina Zafindrabary. Manampy trotraka izany koa ny filazana lava ny hanaovana fifidianana ben’ny Tanàna izay manakana araka ny lalàna ireo mpitsara ara-bola manao fanadihadiana enim-bola alohan’ny fifidianana, mba hampitovy tantana ireo kandida rehetra hirotsaka. Ao Toamasina izany, ireo faritra 03 sy ireo kaominina an-jatony, dia lany tsy mandalo fitsarana ny fampiasana ny volam-bahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT