Actualités

Fitsarana ao Tsiroanomandidy Mampihatra ny TTR na « Traitement en Temps Réel »


  • Talata 07 Jolay 2015

Nihatsara ny fomba fiasan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ankehitriny noho ny fampiasan’ny fampanoavana ao aminy ny TTR.

 

 Anisan’ny politika vaovao nentin’ny minisiteran’ny fitsarana ankehitriny izy io raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Nambaran’ny lehiben’ny mpampanoa lalàna any amin’ity toerana ity, Rakotondravelo Saotra, dia ampahafantarina an’ireo mpanao famotorana ao anatin’ny fotoana fohy ny raharaha any aminy ka tena manala fahasahiranana ny vahoaka izany. Afaka mifanakalo toromarika avy hatrany  ny roa tonta ao anatin’ny fampiharana ity TTR ity. Mahazo tombony koa ny vahoaka satria fantatry ny fitsarana avy hatrany ny faharetan’ny fotoana itazonan’ny mpitandro filaminana azy atao andrimaso. Mitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana ary tsy misy raharaha miandriandry izany intsony, hoy ity lehiben’ny fampanoavana any Tsiroanomandidy ity. Mihena ny fandaniana isan-karazany amin’ny fampiharana ny TTR saingy mbola olana ny amin’ny fitaovana hoentina manatanteraka azy toy ny fifandraisana an-telefaonina sy ny handehanana hitetezana faritra hanaovana fanentanana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT