Actualités

Fitsarana Anosy Mpijirika 2 no tratra


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Nanomboka ny alatsinainy 12 sy ny talata 13 jona 2023 dia mpijirika miisa 2 sahady no tratra, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana omaly.

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanadiovana ny tontolon’ny fitsarana moa ity atao ity ; maka vola amin'ny manan-draharaha eo anivon'ny fitsarana izy ireo ary milaza fa mahavita mamoaka gadra any am-ponja, hoy ny fanazavana. Betsaka ny efa lasibatra tamin'izany ka nanao velam-pandrika nisamborana ireo mpijirika ireo ny filohan'ny fitsarana, ny tonia mpampanoa lalàna sy ny lehiben'ny mpiraki-draharaha eo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Fiaraha-miasa tamin'ny mpitandro ny filaminana no nahazoam-bokatra, noho ny fampiharana ny paikady napetraky ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, ny minisitry ny fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, mba hamerenana indray ny fahatokisan'ny vahoaka ny tontolon'ny fitsarana eto Madagasikara, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mipetraka ihany anefa etsy ankilany ny fanontaniana hoe vao izao ve moa izany no nisy izany mpijirika izany teo anivon’ny fitsarana? Tena azo lazaina hoe sahady ve raha mpijirika miisa 2 no tratra ao anatin’ny 2 andro, raha izay fitarainana efa heno an-taonany maro hita eny amin’ny tambazotran-tserasera sy haino aman-jery samihafa izay?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT