FITSARANA ANOSY

Mbola misy raharaham-pitsarana 50.000 isa miantona


  • Talata 14 Mey 2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

voalohany etsy Anosy Antananarivo. Ezahina hovitaina ao anatin’ny 5 na 6 volana ireo raharaham-pitsarana ireo raha araka ny fanazavana azo omaly ka hanampy mpiraki-draharaha miisa 50 ny Minisiteran’ny Fitsarana raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Landy Randriamanantenasoa, omaly. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ireo olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana an-taonany maro nefa tsy misy valiny. Solosaina miisa 25 no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo omaly. Izany no natao dia mba hahafahana manafaingana ny raharaham-pitsarana amin’ny alalan’ireo fitaovana vaovao ireo. Mbola hitohy amin’ny fanomezana ireo fitaovana ho an’ireo fitsarana rehetra manerana ny Nosy araka ny filàna voasoritra avy moa izao fanampiana entin’ny Ministra tompon’andraikitra izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT