Hisokatra amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fotoam-pitsarana voalohany eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy rehefa nisy fiatoana nandritra ny fotoana maharitra noho ny hamehana ara-pahasalamana.
Ny resaka ady madio, ady varotra, ny adin’asa no hisantarana izany raha mbola tsy hisy kosa aloha ny ady heloka misy fanasaziana am-ponja noho ny mbola tsy fahafahana mamoaka ireo voafonja ety ivelany hiatrika fitsarana. Na izany aza anefa dia hisy ny fandaminana maromaro raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Alefa amin’ny alalan’ny peta-drindrina ny anaran’ireo olona manan-draharaha isan’andro ka mila manaraka izany ireo voakasika. Tafiditra ao anatin’izany ny efitrano misy ilay raharaha…Ho an’ireo olona manan-draharaha indray dia tsy maintsy manaraka ny fandaminana ara-pahasalamana rehetra izy ireny toy ny fanasan-tanana amin’ny savony eo am-pidirana, ny fijerena hafanana ka ho an’ireo manana maripana mihoatra ny 38˚ C dia fantatra fa mijanona avy hatrany tsy mahazo miditra izy ireny. Toraka izany koa ilay elanelana 1 metatra….Ho an’ireo manana mpisolo vava moa dia fantatra fa afaka tsy manatrika ny raharaha izy ireo saingy tsy maintsy manana taratasy enti-manamarina izany kosa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.