Tranga tsy fahita ity niseho teo anivon’ny fitsarana ambaratonga ambony tao Toamasina ny talata tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina ity.
Tovolahy iray 23 taona tsy faly tamin’ny fanemorana ny fitsarana ny sakaizany tokony ho natao io talata io tao amin’ny efitrano voalohany, no nandoro ny efitranom-pitsarana faharoa an’ny fitsarana ambony izay indramin’ny fitsarana ambaratonga voalohany anenjehany ny raharaham-pitsarana maro ao aminy. May nandritra izany ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ireo sainam-pirenena tao. Efa nijery ny zava-nisy ny tenany sy ny lehiben’ny mpirakidraharaha ary ireo polisy misahana ny raharaha. Tratra ambodiomby tamin’ny fahitana ny fivoahan’ny setroka ilay tovolahy. Briquet tsotra no nampiasainy. Amin’ny maha spaonjy ilay seza dia haingana ny firehetana niaraka tamin’ireo sainam-pirenena vita amin’ny lamba mora mirehitra ihany koa. Milaza ny tsy matahotra ny hogadraina ilay mpanao heloka. Mbola nozimbazimbainy tamin’ny tranga lela sy tarehy ratsy ihany koa ny filohan’ny fitsarana ambony sy ireo polisy nisambotra azy. Ny filohan’ny fitsarana ambony amin’ny alalan’ny lehiben’ny mpirakidraharaha no mpitory. Raha ny fanazavana azo dia mikasika ny fandoroana ny efitranom-pitsarana, fanimbazimbana mpitsara ary fandorana sainam-pirenena no manenjika an’ity tovolahy 23 taona ity. Anio alarobia no mety hiakatra fampanoavana ny raharaha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.