Actualités

Fitsaram-bahoaka nahafaty olona telo 105 ireo efa nosamborina tao Lalazana Fianarantsoa


  • Alarobia 31 Mey 2023

Tsy niandry ela, fa nisokatra avy hatrany ny famotorana mikasika ilay raharaha fitsaram-bahoaka nahatsiravina tany Lalazana Fianarantsoa ny alin’ny sabotsy 27 may lasa teo.

Raha hiverenana kely, dia olona 4 nandea fiara tsy matahodalana na “4x4” nampangain'ny fokonolona ho mpangalatr'olona. Nosakanan'ny fokonolona ny fiara nitondra azy ireo, ary dia tsy nananana antra ireo vahoaka fa nirohotra ny namono azy ireo. Vokany, maty ny 4, naratra mafy ary tsaboina amin’ny Hopitaly Tambohobe Fianarantsoa ny iray, potika tanteraka ilay fiara. Voalazan'ilay hany sisa velona fa resaka vato no antondian'izy ireo teny, hoy ny fitantarana. Raikitra kosa ny fisamborana ireo olona heverina ho tompon’antoka mivantana na ankolaka tamin’ity raharaha ity, mba hatao famotorana, ka hatry ny omaly dia nahatratra 105 ireo efa voasambotra. Mpitandro ny filaminana marobe rahateo no tonga teny amin’ny tanàna sy ny toerana nisehoan’ny zava-doza. Maro ny mety ho anton’ny fanadihadiana ireo fokonolona satria nisy aina nafoy, ka ao ny mety tompon’antoka tamin’ny vono olona, ao ny mety vavolombelona,… Ny Fitsarana rahateo no tompon’ny teny farany amin’ny raharaha tahaka itony aorian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Na inona na inona kosa antony, heloka helohin’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ny fitsaram-bahoaka, ary tsy misy na iza na iza manana fahefana hanapitra ain’olombelona tahaka azy. Ny tena zava-doza ao anatiny ihany koa dia sanatria olona tsy manan-tsiny na tsy meloka no matimaty foana amin’ny mety ho resaka tondro molotra na kihonohono. Na mety tena marina aza ilay zava-misy nentina nanaovana fitsaram-bahoaka, dia mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna. Sary iray mety maneho ny tsy fahatokisana ny ambaratongam-pahefana toy ny fitsarana ihany koa anefa izao ka tokony handraisana lesona sy hitondrana fanarenana hatrany satria tena efa lasa zava-doza, tsy misy dikany intsony ny mandatsaka aina. Potika ny fiarahamonina, betsaka ny lonilony, very ny fitandroana ny hasin’ny aina, ny tsy fandriampahalemana namoizana ain’olona maro, ny fahantrana mikiky,… hany ka mety endrika hantonton’ny olona amin’ny zavatra na tranga iray fahatezerany ka anisany ny fitsaram-bahoaka. Vao mainka anefa olana miteraka olana izany, ary vao mainka mizotra any amin’ny fahapotehana, ka mila jerena sy harenina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT