Actualités

Fitsaboana nampisavorovoro tao Antsirabe Manazava ny Kaomisera Talily Damy


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Raharaha isan’ny nisarika sain’ny mponina tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo ny savorovoro nitranga nanoloana hotely iray nandraisana mpitsabo malaza avy aty an-drenivohitra marary maro mila fitsaboana taminy araka ny notaterina teto tamin’ilay lahatsoratra hoe «Mpitsabo malaza ao Itaosy : Nosamborin’ny zandary»

 

. Nitondra fanazavana mikasika azy io ny lehiben’ny polisy ao Antsirabe ny kaomisera divizionera Talily Damy. Nambarany fa «nahatratra 15 ny fitarainana voaray teo anivon’ny polisim-pirenena» mikasika io tranga io. Taorian’izay dia nisy ny fisamborana ilay mpitsabo nohon’ny fisavorovoroana nitranga ka nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana azy. Araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny polisy ihany dia nisintona ny taratasiny ireo nametraka fitarainana teo anivon’izy ireo rehefa «naverina ny volan’izy ireo ary taorian’izay dia navotsotra ilay mpitsabo».  Raha ny nambaran’ny lehiben’ny polisy moa dia mbola mandeha ny fanadihadiana ary tsy hatolotra ny Fitsarana ao Antsirabe izany ka ireo no manapaka ny tohiny. Loharanom-baovao hafa kosa no mitatitra fa fialonana ateraky ny fifaninana no tao ambadik’iny savorovoro iny. Nisy andian’olona nirahina hanasoketa sy hanaratsy fotsiny ho fisolokiana mahita ny olona maro tonga nanatona ity mpitsabo malaza ao Itaosy ity hitady fanampiana, fahasoavana sy fanasitranana taminy. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia asa soa, fanasoavana ny mpiara-belona, indrindra fanarenana ny fiainan’ireo mitady ho kivy sy mamoifo, tapi-dalan-kaleha no ataon’ity mpitsabo ity ka itadiavan’ny olona azy.

Caius R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT