Actualités

Fitrandrahan’ny Sinoa volamena ao Vohilava Manambana hamotika ny fitaovana ny mponina


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Tsy manaiky ny fitrandrahana volamena tsy manara-dalana sy manimba tontolo iainana ataon'ireo Sinoa ao amin’ny kaominin’i Vohilava, distrikan’i Mananjary ny mponina ao an-toerana, raha ny fanehon-kevitry ny solontenan’izy ireo.

 

 Nisy ny fandrahonan’ny manam-pahefana ao an-toerana mikasika ny hitsiponana ireo mponina tsy manaiky izany omaly vao mangiran-dratsy, raha ny fampitam-baovao hatrany. Nanao antsoavo miantefa amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny OMC Mananjary ny solontenan’ireo mponina mba hijery ifotony ny zava-misy. Nisy ny hetsika nataon’ireo mponina nitakiana ny fialan'ireo sinoa mpitrandraka volamena sy ny sambony ny talata teo, raha tsiahivina. Nopotehin'ireo vahoaka ny milina sasany ary raha tsy mbola misy fandraisana andraikitra ataon'ny fitondrana dia hiditra amin’ny famotehana tanteraka ity sambo ity ireo mponina, raha ny vaovao niparitaka omaly. Fitrandrahana 40 taona tsy misy tombony ho an’ireo vahoaka fa famotehana an’i Vohilava no manambana, hoy ireo fanehoan-kevitra, ka tsy azo ekena.’

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT