Fitrandrahana volamena

Olona 4 indray maty nihotsahan’ny tany


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Lehilahy miisa 6 mpitrandraka volamena no nihotsahan’ny tany tao anaty lavaka tany Antsiavafabositra

distrikan’i Maevatanana ny 11 febroary teo. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva no nahazo antso ny zandary avy amin’ny PF PF Tsarabanja fa misy mpitrandraka volamena tototry ny tany vokatry ny fianjeran’ny lavaka tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena, raha ny fanazavana. Ny 4 tamin’izy ireo no namoy ny ainy, raha tafavoaka velona ny 2 saingy naratra fa tsy dia mafy loatra. Mponina avy ny Ambatonakanga anatin'ny distrikan'Antanifotsy ireto mpitrandraka volamena niharam-boina ireto, raha ny fanamarihana. Hitady no nialana ny fianankaviana saingy ny aina no manaraka, izay endrika maneho fa tena ady aman’aina ny fitadiavana. Mivarotra aina ireo mpitrandraka volamena madinika eto amintsika noho ny fitrandrahana tsy tena mbola matihanina sy manara-penitra ny ankamaroany satria tsy vao tranga vaovao ny tahaka itony. Efa maro ireo maty nihotsahan’ny tany, matin’ny hasemporana tany anaty lavaka,…
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT