FITRANDRAHANA VOLAMENA

Mitady hiditra an-keriny ao Nosy Varika ny Sinoa


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Tadiavin’ireo tera-tany Sinoa hidirana an-keriny ny fitrandrahana volamena ao amin’ny ranon’i Fanantara

any amin’ny distrikan’i Nosy Varika izay hany mba foto-piveloman’ireo olona sasany any an-toerana. Efa tonga any an-toerana miaraka amin’ny fitaovana makadiry toy ny bulldozer mihitsy ireo tera-tany Sinoa ireo raha araka ny vaovao azo. Manahy mafy ny mety hahasimban’ny tananany araka izany ny mponina ka nitroatra naneho ny tsy fahafaliany nentina nanoherana izany ny faran’ny herinandro. Nirodorodo niala tany an-tananany avokoa ny mponina no sady nilanja sora-baventy izay misy soratra hoe : Tsy ekenay ny vazaha mitrandraka volamena aty amin’ny faritra misy anay. Miala ny Sinoa !....Milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany moa ireo mponina ao Nosy Varika fa hanohitra tanteraka izao fidiran’ny Sinoa an-keriny ao amin’ny faritra misy azy izao mba hitrandraka volamena. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ihany koa izy ireo mba hijery akaiky ity tranga misy any an-toerana ity indrindra fa ny fanjakazakan’ireo tera-tany vahiny amin’ny fananan’ny Malagasy tahaka izao izay tsy vao sambany akory.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika nataon’ny mponina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT