Fitrandrahana solika

any amin’ny Plateau Mahafaly


  • Alakamisy 07 Mey 2026

Miantso ny hanomezana alalana feno ny PETROMAD ny FCRTM

Betsaka ny harena an-kibon’ny tany amin’ny tapany Atsimo, ka ny anisany ny any amin’iny Plateau Mahafaly. Efa nanao fanadihadiana sy fitsirihana ny PETROMAD orinasa Malagasy tantanan’ny Dr Emma Rasolovoahangy, manana blocs ao Bezaha, Ambatry, ary Antongobory. Nanamafy sy nanao antso ny Fikambanan'ny Ampanjaka sy Raiamandreny ara-drazana eto Madagasikara na ny FCRTM tarihin’ny tarihin'ny Filohany Rtoa Zoendreniny Elakovelo Etsiosa izay nivory tany Betioky, fa faritra manankarena harena an-kibon'ny tany, toy ny sakoa, solika, vy, ny Plateau Mahafaly, ka hitondra zava-tsoa any amin’iny faritra iny ny fitrandrahana. « Ankavitsiana ny Malagasy no manana mari-pahaizana sy fahaizana amin’ny resaka « pétrole », ka mangataka izaha raha ohatra ekena ihany, dia aleo tohanana ny PETROMAD orinasa Malagasy, mila mifanohana ny samy Malagasy. Noho izany, tokony hafainganin’ny Fanjakana ny mba hamoahany ny fahazoan-dàlana na « Autorisation d’exploitation » hahafahany manohy ny fitrandrahana solika », hoy Rtoa Zoendreniny Elakovelo Etsiosa. Efa manana an’i Tsimiroro isika, hoy izy, fa misy ihany koa aty aminay, ka mangataka izahay. Vonona noho izany izy ireo hamaha izay tokony hovahana, ary vonona hiaraka hiasa amin’ny PETROMAD, tsy hisakana amin’ny fampandrosoana, fa raha zavatra mahasoa ity faritra ity dia tsy misy tokony hanakananay azy. Hatao ny fomba, atao ny fifampiresahana amin’ny Raiamandreny satria hitondra asa ho an’ny tanora, ny vehivavy, ny sarambabem-bahoaka, eny fa ho an’i Madagasikara iray manontolo. Manamafy ny antso hamelana malalaka ny PETROMAD amin’ny fikarohana sy fitrandrahana solika noho izany izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany hanafaingana ny fahazoan-dàlan’ny PETROMAD noho izany ny FCRTM, ka nanamafy fa tokony hatosika ny orinasa Malagasy mba ho tombotsoa ara-toekaren’ny Firenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT