Fitrandrahana ny eny ambony tsy taka-maso

50 taona aty aoriana, tonga eny amin’ny volana indray ny Amerikana


  • Talata 27 Febroary 2024

Niverina teny amin'ny volana ny Amerikana 50 taona taty aorian'ny dia farany nataony.

Nipetraka teny amin'ny volana ary nitondra fitaovam-pikarohana hanaovan'ny NASA fanadihadiana ny Odysseus lander izay novokarin'ny orinasa tsy miankina Intuitive Machines ny alakamisy 22 febroary lasa teo. Miara-miasa amin’ny tsy miankina sy ireo firenena mpiara-iombon’antoka aminy ny NASA mba handefasana olona indray ho eny amin’ny volana, ho fanomanana ny dia manaraka hatao eny amin’ny planeta Mars. Ny 15 febroary no nanainga tao amin’ny Kennedy Space Center i Odysseus lander, natosiky ny balafomangan’ny orinasa Space X, izay orinasan’ilay Amerikana mpanefoefo Elon Musk moa. Ho fanomanana ny fiverenan’ny zanak’olombelona eny amin’ny volana izao fihetsiketsehana rehetra izao. Olona 4 , efa nofanina manokana no voalaza fa handray anjara amin’izany dia ny « Mission Artemis ».
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT