Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

Kaominina 17 any amin’ny RN2 mbola tsy misitraka ny zony


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Mafy ny mahazo ireo kaominina voakasiky ny toerana hanaovana na lalovan'ny fitrandrahana

harena an-kibon'ny tany hataon'ireo orinasa lehibe any amin'ny lalam-pirenena faharoa. Hatreto mantsy dia kaominina miisa 17 no mbola tsy nisitraka ara-dalana ny zo tokony ho azony hany ka miala maina fotsiny. Tamberim-bidy nanomboka tamin'ny taona 2020 ka hatramin'izao io zo tokony hositrahan'izy ireo io, tranga hiainan'ireo kaominina miainga ao amin'ny distrikan'i Moramanga ka hatrany Toamasina raha araka ny fanazavan-dRabenandrasana Clement mpandrindra nasionaliny eo anivon'ny OSCIE na ny Plateforme des organisations de la société civile sur les industries extractives. Ho an'ireo kaominina efa mba nisitraka indray dia fantatra fa misy ireo Ben'ny tanana tsy mahay mitantana ka tafiditra am-ponja tsy fidiny. Lasa any amin'ny rendrarendra mantsy ilay vola fa tsy mankany amin'ny fanasoavam-bahoaka sy ny tanana akory, raha araka ny fanazavany hatrany.
Pati
Légende : Rabenandrasana Clement, mpandrindra nasionalin'ny OSCIE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT