Mitohy hatrany ny fanoheran’ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Ambatolampy, kaominina Ambinaninony, ny asa fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataona orinasa kanadianina iray any an-toerana.
Araka ny fanazavan’ireo mponina dia tsy zakan’izy ireo ny etona simika ateraky ny fitrandrahana. Sady manimba fahasalamana izy io no manimba ny fihariana any an-toerana ihany koa. Saika simba daholo amin’izao fotoana ny fambolena ao an-toerana, raha ny nambaran’ireo tantsaha, izay mipetraka manamorona ity toeram-pitrandrahana ity. Tsy misy afaka miditra ao amin’ilay toeram-pitrandrahana hatramin’ny mpanao gazety satria dia miatrana eo am-bavahady ireo zandary. Am-bolana maro no efa nampitaraina ireo mponina any an-toerana ity zava-misy ao Ambatolampy – Ambinaninony ity izay hita ho miha Soamahamanina faharoa hatrany ka atahorana hitarika ny fihetsehan’ireo mponina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.