Actualités

Fitotonganan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena Mbola tsy misy fiantraikany eto Madagasikara


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Mbola tsy hita ny fiantraikan’ny fidinan’ny vidin’ny solika manerantany amin’izao fotoana izao raha ny eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny Mpahay toekarena eo anivon’ny CREM, Rakotobe Vololonirina.

 

 

 

Efa nifanaraka rahateo aloha ny fanjakana sy ny mpandraharaha ara-tsolika eto ny amin’ny hitazomana ny vidin-tsolika. Na izany aza dia tsy voafaritra mazava tanatin’ny fifanarahana hoy izy ny hoe hatramin’ny oviana no ho voatazona amin’io vidiny amin’izao fotoana izao io ny vidin-tsolika. Etsy andaniny dia nanambara ity mpahay toekarena ity fa kely loatra ny fahafaha-mitahiry na ny capacité de stockage eto an-toerana ka tsy afaka hisitraka io fitotonganam-bidin-tsolika io i Madagasikara. Araka izany dia tsy hisy fiantraikany mivantana izany satria na hividy aza dia tsy hisy ny toerana mihoatra hafa afaka hitahirizana ny solika. Na izany aza dia tokony hiomana fatratra ny fitondram-panjakana fa matoa ny vidin-tsolika tafidina ambany be tahaka izao dia hisy fiakaram-bidy mafy be ho valin’izany rehefa hivaha izao olana izao. Tsy maintsy hihazakazaka mafy haka tombony hanaronana ny fatiantoka ireo firenena mpamokatra solika ary lalànan’ny tsena izany fa tsy fanararaotana hoy hatrany ity mpandalina toekarena ity.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT