Actualités

Fitoroana heloka an’habaka Azo atao no manantona zandarimaria avy hatrany


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny zavatra hitany sy ireo efa nampiharina hatrizay ny iraky ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sampana Ady amin'ny fandikan-dalàna an’habaka (Service des luttes contre la cybercriminalité)

 

 

 

 omaly tany amin` ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria ao amin`ny faritra Vakinarakaratra. Nohamafisina sy nampiana ny fahalalàna sy traikefan'ny zandarimaria ao Vakinankaratra eo amin'ny fikarohana ny heloka sy fandikan-dalàna an’habaka. Nahafantarana ireo karazana tranga fahita sy ataon'ny olona manana sy mpanao hevi-dratsy amin'ny fampiasana ny tambazotran-tserasera, ny aterineto sy ny tambazotram-pifandraisana (Telma, Airtel, Orange, Bip), ny fikirakirana vola amin'ireo tambazotram-pifandraisana ireo. Tonga nanatrika izany ireo zandary avy ao amin'ny sampana mikaroka ny heloka bevava (GAPJ), ny Commandant de Compagnie telo ao anatin'ny Groupement Vakinankaratra, ny Commandant Brigade sy ny Chef de poste ao amin'ny Groupement Vakinankaratra. Izany dia hanamora sy hanafaingana ny fomba fiasan'ny Zandary ary indrindra fa azo ataon'ny Zandary ao Vakinankaratra ny famotorana, ny fanenjehana ireo mpanao fandikan-dalàna an-habaka isan-karazany. Manentana ny vahoaka hatrany ny zandarimaria mba hametraka fitoriana eny anivon' ireo toby raha iharany na mahita ireo trangana fandikan-dalàna an’habaka fa tsy hionona fotsiny amin'ny fitarainana any anatiny tambazotra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT