Fitorian’ny EKAR

Diosezin’Ambositra Nosamborina ny ben’ny tanànan’i Tsarasaotra


  • Talata 07 Aprily 2026

Nosamborin’ny mpitandro filaminana

ny alahady 05 aprily teo izay andron’ny paska, ny ben’ny tanànan’i Tsarasaotra, ao Ambositra, araka ny fanazavana navoakan’ny fitsarana sy ny polisim-pirenena ao an-toerana. Nisy fitoriana napetraky ny EKAR Diosezin’Ambositra, manodidina raharaha fitrongisana zanakazo. Araka ny fanampim-panazavana nataon’ny fitsarana, dia efa imbetsaka no nandefasana taratasy fampiantsoana ity olomboafidy ity, saingy tsy tonga nanatrika izany mihitsy izy. Voalaza fa hiakatra eny amin’ny fampanoavana anio talata ny raharaha. Ankoatra ity raharaha ity, dia efa nisy ihany koa fandrodnana natao ny tranon’ity ben’ny tanàna ity, raha ny fanamarihana hafa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT