Fitoriana nataona manam-pahefana etsy Andavamamba

Miovaova ny votoatin’ny fitarainana, hoy ireo mpifanolo-bodirindrina


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Ny alarobia 24 aprily atoandro teo dia lasa nandeha nanao fanatanjahan-tena ny «manam-pahefana»

mpanofa trano etsy Andavamamba, garazy MIkajy, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Akory ny hagagany rehefa niverina izy, hoy ny fanazavana? Tsy misy fanalahidy ka niandry teo ivelany izay tampoka teo no nilaza fa very ny volamena sy ny vola ka vaky tampoka indray ity trano tsy Nisokatra. Nametraka ny fitarainany ity farany ary efa olona miisa 8 mpiasa ao amin’ny garazy no efa natao fanadihadihana tany amin’ny borigadin’ny zandarmaria Fiadanana. Velona ahiahy ihany anefa ireo mpiasa mpifanolo-bodirindrina aminy izay efa ho 15 taona niasana tao amin’ilay garazy fa miovaova ihany ny votoatin’ny fitarainana. Raha volamena 2 grama no nolazaina fa very tany am-boalohany dia niova ho 200 grama izany avy eo. Toa izany koa ny lelavola nolazaina. Raha 3 tapitrisa Ariary no tao anatin’ny fitairanana dia novaina ho 4 tapitrisa taty aoriana. Velon-taraina noho izany ireto mpiasa ao amin’ilay garazy ka nampiantso mpanao gazety izay nanambarany ny mety ho fanaparam-pahefana ataon’ireo mpitandro ny filaminana voakasika, izay nomarihina fa mpitandro ny filaminana. Raha 4 ny olona nampiantsoina dia nisy ihany koa ny 4 izay tsy nahazo fampiantsoana akory fa dia nantsoina an-telefonina. Marihin’izy ireo fa very asa izy ireo noho ny fivezivezena mankany amin’ny biraon’ny zandary. Araky ny filazan’ny Kolonely lehiben’ny mpanao famotorana dia tsy tapaka nisy olona teo an-toerana tamin’ny andro sy ora naha very ny entana. Izay no antony nampiantsoana azy ireo hatao fanadihadihana mba ho vavolombelona. Hampodiana eo anivon’ny fianakaviana avokoa ireo efa natao famotorana nefa manome antoka ny fianakaviany fa ho tonga araka ny fiantsoana ataon’ireo mpanao famotorana. Somary nanome tsiny ny vahoaka eny ambany tanàna ny tomponandraikitra ary nilaza fa tokony hampianarina ny vahoaka eny amin’ny faritra iva na "bas quartier". Mahatsapa ireto mpiasa fa misy ny fanararaotam-pahefana eo anivon’ny mpanao famotorana satria mahatsiaro ho very zo izy ireo ary manainga ny mpitondra fanjakana hijery manokana ity raharaha ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT