Nafahana vonjimaika ireo mpanamory dimy sy teknisianina iray izay niakatra fitsarana omaly tetsy Anosy mahakasika ny raharaha Air Madagascar. Raha nivoaka ny lapan’ny fitsarana anefa ny Me Razafinjatovo Willy na i Me Olala dia
nanambara fa mbola hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana satria raha ny fahitan’izy ireo azy dia tsy mahefa ity raharaha ity ny fahefam-pitsarana nandray ny raharaha. Afaka tamin’ny fanenjehana azy toa an-dRabarilala Rado izany ireto mpiasa ireto saingy tsy mbola azo ambara ho vita sy mivalona tanteraka ity raharaha ity. Tsy azo lavina fa ny fisian’ny toe-draharaham-pirenena izay mafampana ankehitriny dia mampanano sarotra ny fitantanana ny firenena sy ny fitadiavana ny fitoniana ka mety ho azo an-tsaina no mety ho anton’ny didy navoakan’ny fitsarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.