no miana-kendry mananatra sahady!
Ao ny miteny fa tsy midika ho fahamarinana akory ny fampitahàna na hoe «Comparaison n’est pas raison» kanefa dia fony izy ireo teo amin’ny fitondràna dia samy nahatsiaro ny mpanara-baovao fa saika tsy nitsahatra nampitaha ny fahasahiranana misy eto tamin’ny fahasahiranana misy any amin’ny firenena heverin’izy ireo fa mbola fadiranovana noho i Madagasikara ireo tandapa sasany. Ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mihitsy aza no matetika nanamarina ny fomba fitantanany tamin’ny alalan’izay fampitahàna ny zava-misy any amin’ny firenen-kafa izay. Niaraha-niaina tamin’ny fitondràna teo aloha ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy naharitra 12 ora na mihoatra teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Ny tany amin’ireo faritra hafa aza nisy naharitra 3 na 4 andro mihitsy, raha tsiahivina ny tati-baovao voaray tamin’ireny fotoana ireny. Nanomboka ny fanonganam-panjakàna nitranga ny taona 2009, izay notarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, sy ny ekipany no niaraha-niaina fa tsy nitsaha-nitotongana ny fiainam-pirenena ary dia izao lasa firenena faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izao amin’izao fotoana izao. Ny fitondràna namela takaitra 16 taona indray, araka izany, ankehitriny, no miana-kendry mananatra sahady ny fitondràna vao 1 volana nijoroana. Fitondràna izay nahatsiaro ho tsy maintsy nandray ny andraikiny handray ny fahefàna noho ny fahabangan-toeran’ny filoham-pirenena nefa eto no resaka fa tsy hoe fitondràna nanana fotoana niomanana tamina vina tanaty fotoana maharitra. Tsy hampiharina intsony ve izany ny fomba fitenin’ireo tandapa tamin’izany fotoana izany hoe «Avelao aloha izy hiasa!»? Feno iray volana katroka omaly moa, raha tsiahivina, no nandraisan’ny fitondràna ankehitriny izay fitantanana tsy fidiny ny firenena izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.