Fitondràna tsy mahay afa-tsy mandrava

Orinasa maro voaroba sy may, tanimbarin’olona nototofana,…


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

90%n’ny zaza latsaky ny 10 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra

amin’izao isika miteny izao, hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison. Hatramin’ny repoblika faharoa ka hatramin’izao mbola ao anatin’izany ihany koa ny atsasa-manilan’ny malagasy. Orinasa maro no voaroba sy may ny taona 2009 vokatry ny fanonganam-panjakàna notarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny. An-jatony maro koa ireo namoy ny ainy vokatry ny nambara fa revolisionina tamin’izany fotoana izany nefa ny vokany ankehitriny dia izao firenena vao mainka tafalentika anaty fahantrana lalina izao, raha ny tombana iraisampirenena toy ny an’ny tahirim-bola iraisampirenena sy banky iraisampirenena no jerena. Nitsotsorika toy izany koa ny antsoina hoe IDH na «Indice de développement humain» eto amintsika, izany hoe ny marika hamantarana ny fandrosoan’ny isam-batan’olona. Niainga 528 isika ny taona 2019, hoy ny filohan’ny antoko politika Repoblikanina, Dr Hasina Raveloson, ary 477 izany ankehitriny. Ny tanimbarin’olona nototofana fahatany fotsiny hoe hanatontosàna tetikasan’ny fitondràna tahaka ny Tanamasoandro nefa avy eo dia hoe afindra toerana indray izany tetikasa izany. Potika tsy amin’ny antony ny fiharian’ireo tantsaha mpamboly. Firifiry ireo fonenana efa noravàna sy ny olompirenena tsy manan-kialofana tampoka ihany koa vokatr’izany? Io izany izao dia hoe ho esorina indray ihany koa ireo mpanety manamorona ny farihin’Anosy, izay velom-panontaniana raha nanao fitokonana ny faran’ny herinandro teo hoe ho aiza izany izy ireo? Eo no toerana nahafantaran’ireo mpanjifany azy sy nivelomany nandritry ny taona maro. Mazava ho azy fa akaiky ireo mpanjifany ihany koa eo. Efa misy vahaolana tsaratsara kokoa sy matotra mba atolotry ny fanjakàna azy ireo ve sa dia hiverina indray ny fitarainana mikasika ny hoe tsy fahazoana fanorenena ho an’ireo tra-pahavoazana? Raha tsy hilaza afa-tsy ireo, mbola mila resahina ve ireo hopitaly lazaina fa manara-penitra nefa mirodana ho azy am-pitoerana toy ny hita any amin’ireo faritra sasany? Toy izany koa ny hoe kianja manara-penitra nefa hanirian’ny bozaka na ireo biraom-panjakàna mirodana ho azy sy ireo EPP lazaina fa manara-penitra nefa manara-pofona, izay ireo haino aman-jery vahiny indray no manapotsipotsitra izany zava-misy rehetra izany? Miodina araka ny tokony ho izy daholo ve izany rehetra izany sa misy na ny mpiasa aza tsy hita ao anatiny?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT