Tena tsara ilay finiavan’ny filoham-pirenena mahakasika ilay fanohanana an’ireo
izay te handeha hankahery ny Barea any Nairobi, hoy ny fanehoan-kevitry ny renim-pianakaviana iray tanaty tambazotran-tserasera tao izay. Ilay hoe handoa ny atsasa-bidin’ny «billets d’avion» na saran’ny fiaramanidina, hoy izy, tena tsara fa etoana aho dia mba mangataka ihany koa ny mba handoavan’ny fanjakàna ny atsasaky ny saram-pampidirana mpianatra eny amin’ireo sekolim- panjakana! Ilay latsakemboka 4 alina hatramin’ny 7 alina Ariary io. Ilay atsasaky ny «billets d’avion» dia manodidina ny 3 tapitrisa Ariary eo isan’olona, alohan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Ny Visa na taratasim-pisidinana mbola ankamantatra. Raha olona 200 isa izany no handeha dia 600 tapitrisa Ariary. Ny atsasaky ny latsakemboka aloha eny amin’ireo sekolim-panjakàna nefa eo amin’ny 3 alina Ariary eo. Izany hoe raha manokana tetibola 600 tapitrisa Ariary ihany koa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, mahavita manampy mpianatra miisa 2000 eo, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Tsy hijery toe-draharaha lavitra be mampikorontana ny toekaren’ny isan-tokantrano amin’izao ihany koa isika, Madagasikara ihany no resaka, dia io ny olan’ny JIRAMA. Tsy mety voafehy ny resaka rano fa miha mafy indrindra ihany koa amin’izao fotoana izao ny olan’ny herinaratra, indrindra, tao anatin’izay fotoana nampandehanana ity teleferika ity amin’izay, raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto Antananarivo renivohitra moa! Orinasam-panjakàna maro navela ho faty hatramin’ny anarany. Teo ny Air Madagascar, ny Telma, ny Kraomita malagasy sy ny maro hafa tsy voatanisy. JIRAMA io sisa, asa hoe rahoviana koa no ho lasa anaran-tsy very? Mandohalika tsy mety tafarina ny firenena ary mahamenatra ny maheno ireo mpitantara baolina hatrary amin’ny Afrobasket ary, rehefa mba miakatra kianja ny ekipam-pirenena malagasy, dia mbola misy mampahatsiahy ihany hoe isan’ny firenena mahantra eto ambonin’ny tany io. Hampirevy vahoaka, maika! Hanarina firenena! Tsy taitra! Hanarina toekarena! Tsy miraika! Fitondrana hafa mihitsy!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.