Tafaverina an-tanindrazana omaly alina ny praiminisitra Kolo Roger sy ny delegasionina notarihany rehefa avy nivahiny herinandro tany Chine
Fanamafisana ny faraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy fanomanana ny fitsidihana ofisialy hotanterahan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no voalaza fa anton-dia tany. Tsotsotra ny serasera natao momba ity dia ity ary maro mihitsy aza ny olona tsy mahafantatra akory fa hay ka tsy eto an-toerana ny lehiben’ny governemanta fa lasa tany Chine.
Tranga mampiahiahy
Maro ihany anefa no velon’ahiahy amin’ity fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Chine tato ho ato ity. Diso fantatra loatra mantsy ny toetran’ny Sinoa izay tena manao izay hahitany tombontsoa manerana izao tontolo izao. Manam-bola ny Sinoa ary tena sahy mampiasa vola. Olona faran’izay fetsy ihany koa anefa izy ireo ary tsy manome vola fahatany izany fa matoa izy manampy sy manome dia tsy maintsy misy takalony izay. Tsaroana eto ny raharaha Wisco na ny fitrandrahana vy nobodoin’ny Sinoa tany Soalala nandritra ny fitondrana tetezamita. Tsy mbola mazava hatramin’izao ny momba ilay 100 tapitrisa dolara azo avy aminy. Teo ihany koa ny fitrandrahana solika tany Sakaraha, nandritra ny fitondrana tetezamita ihany sy ny resaka Mainland Mining tany amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny nosy iny. Nandritra ny fampielezan-kevitra dia mpanefoefo Sinoa no nanome fiara 4x4 miisa 350 ny kandida Camille Vital. Mampiahiahy ireo fiara ireo, hoy ny Samifin satria maimbomaimbo resaka fanadiovana vola maloto ; avy eo anefa toa nilamina ihany ny resaka ary natolotra ny fitondrana Rajaonarimampianina ireo fiara. Somary nanaitra ihany ny nahafantarana fa nifanojo tamin’izao dian’ny praiminisitra Kolo Roger tany Chine izao ny naha tany an-toerana an’Atoa Mamy Ratovomalala izay anisan’ny niara-dia tamin’ny kandida Camille Vital ka nahazoany ireo fiara 4x4 maro be ireo.Tapa-bolana lasa ihany koa izay dia nitsidika ny minisitra misahana ny harena stratejika ny masoivoho Sinoa eto amintsika ka nandamin-dresaka tao momba ireo Sinoa tsy manara-dalàna eto amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Ary vao farany teo dia nahoraka be fa misy mpanambola Sinoa hanome fiaramanidina ny fitondram-panjakana.
Manohy ny asa ratsy
Matetika tsy misy kisendrasendra izay amin’ny tranga miseho momba ny resaka raharaham-pirenena fa misy antony avokoa. Maro ireo mpandinika no mihevitra fa tena mihitsoka ny fahazoan’i Madagasikara famatsiam-bola avy any amin’ny tandrefana ka dia io mitady vola any amin’ny Sinoa io ny fitondram-panjakana. Ny tena olana anefa dia toa manohy ilay fomba ratsin’ny fitondrana tetezamita izy ireo ka na zavatra efa nampiahiahy izao aza dia toa pasopasohana indray mba ho mety satria any no misy ny vola. Tsy misy resaka afa-tsy vola sy fandraharahana any Chine, izay no mampalaza io firenena io. Matoa nandeha tany ny praiminisitra ary mbola ho avy any ny filoham-pirenena dia tena hangata-bola any izany i Madagasikara. Iaraha-mahalala ihany koa fa miondrana any Chine ny 90%-n’ny boaderozy avy eto amintsika, izay asa ratsy nampalaza ny tetezamita. Nitazam-potsiny ireo sambo 4 nitondra boaderozy tamin’ny herinandro lasa teo ny fitondram-panjakana.Tena mampiahiahy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.