Actualités

Fitombon’ny harin-karena Tsy midika filaminana ara-piarahamonina


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Tondro iray manampy ny mpitondra fanjakana amin’ny fomba hitantanana ny sehatry ny toekarena ao anatin’ny firenena iray toa an’i Madagasikara no antom-pisian’ny harin-karena. Dingana mankany amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny fotsiny ihany noho izany ny fitombon’ny harin-karena, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Faribolana Mpandinika ny Hary sy ny Toekarena eto Madagasikara na «Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar» Ratobisaona Rado

Tanjona lavitr’ezaka takiana amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny mitrandraka ilay antsoina hoe : harin-karena ho an’ny daholobe na «croissance inclusive». Raha ny tranga misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao taorian’iny krizy lavareny nolalovan’ny firenena iny dia mbola ho sarotra no hahatongavana amin’izany. Ny antony dia goavambe loatra ny elanelana misy eo amin’ireo sokajin’olona tena vitsy manankarena sy ireo vahoaka maro an’isa tena fadiranovana raha manomboka tsy hita intsony ilay sokajy sady tsy ambony no tsy ambany. Ny fizarana tsara manaraka ny rariny sy ny hitsiny ny harin-karena eo amin’ny mpitondra firenena sy ireo vahoaka malagasy 22 tapitrisa mahery ihany no antoky ny fisian’ny filaminana eo anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’ny CREM. L        alana izay efa nandalovan’ireo firenena lehibe sy matanjaka ara-toekarena ankehitriny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT