Actualités

Fitokonan’ny Fitsarana Mandrahona hisambotra ny fanjakana


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Tsy resa-be intsony fa raikitra ilay fitokonana faobe mandritra ny fotoana tsy voafetra hotanterahin’ny sendikan’ny mpitsara (SMM) sy mpiraki-draharaha (SGM) manerana ny Nosy.

 Hikatona avokoa, araka izany, ny Fitsarana rehetra eto Madagasikara ka tsy hisy na dia ny “service minimum” aza, hoy ny filohan’ny mpiraki-draharaha Randriambololona Haja. Ekena, hoy izy, fa nisy ny fampiantsoan’ny minisitry ny fitsarana  anay ny alatsinainy hariva teo.  Somary nanahirana anefa ny zava-nitranga satria dia nisy ny fampitahorana sy fandrahonana an-kolaka anay mba tsy hitokona. Nohazavaina  taminay  fa zonay  ny mitokona nefa tsy zonay ihany koa raha tsy voafetra  ny fotoana hanatanterahana izany izay notsindriany manokana fa tadiavin’ny Fitsarana havadika amin’ny endrika fisamborana. Misy amin’ireo mpitsara any amin’ny faritra no nahazo fandrahonana mba tsy hitokona, hoy ny avy ao amin’ny SMM omaly Na izany aza anefa, hoy ireo mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana dia tsy hihemotra izahay, indrindra raha tsy mbola tonga eo am-pelatananay ilay “versement” efa notakianay tamin’ny fanjakana hatramin’izay. Ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara (SMM) Fanirisoa Ernaivo dia efa nanamarika ihany koa fa ampy izay ny fampanantenana fa mila zavatra azo tsapain-tanana, ka rehhefa tsy mbola misy io zavatra tanterahana avy hatrany io dia mitohy foana ny fitokonana.Nandamoka hatrany ny fifampidinihana nifanaovana tamin’ny minisiteran’ny fitsarana nanomboka ny volana jolay ka hatramin’izao septambra izao. Nisy moa ny fivoriana farany notanterahin’izy ireo omaly hariva nentina nandinihina ireo karazana paikady hitondrana ny fitokonana hanomboka anio alarobia.

Nanao fanambarana omaly hariva ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana Razafinjatovo Honoré Parfait ka nanentana ireo mpitsara manerana ny nosy mba hiasa tahaka ny isan’andro ary niantso ireo lehibe eny anivon’ny fitsarana mba handray andraikitra ihany koa.Mamotika firenena ny fitokonana hoy izy ary miteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT