Tsy nihemotra ireo mpiraki-draharaha sy ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara omaly fa niroso tamin’ny fitokonana ihany na dia nisy tamin’ireo namany aza no nanatanteraka ny asany toy ny mahazatra.
Nizara roa izy ireo, antony nahatonga ny ampahan’asa teo anivon’ny Fitsarana Anosy mbola nandeha ihany omaly, raha nikatona tanteraka tsy nisy niasa ny tany amin’ny Faritany. Nambaran’Atoa Haja Andriambololona, filohan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara fa tsy manery ireo tsy te hitokona izy ireo. Zony izany saingy raha manana zo arovan’ny minisitera izy ireo dia manana koa ny mpitokona. Ny tanjona dia tsy fampijaliana vahoaka akory fa ny hahatonga lafatra ny kalitaon’ny asa hatolotra azy ireo izay any am-pelatanan’ny fanjakana feno ny hahafahana manatanteraka izany. Nisy moa omaly ny fampiantsoan’ny tompon’andraikitra azy ireo mikasika ireo karazana fitakiana maro samihafa tadiavin’izy ireo amin’izao fotoana.
Nandamoka ny fifampiresahana
Nihaona tamin’ny minisitry ny fitsarana ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara (SMM) sy ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha (SGM) tamin’ny 11 ora ka hatramin’ny 12 ora antoandro saingy tsy nisy ny fehin-kevitra nivaingana hamahana ny olana. Milaza ny minisiteran’ny fitsarana fa hatsangana ny vaomiera manokana handinika ny fanatanterahana ny fitakian’ireto sendika roa tonta ireto saingy tsy misy fe-potoana mazava voatondro fa hahavitan’ny asa momba izany. Manizingizina anefa i Fanirisoa Ernaivo filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara fa tsy misy mpitsara miverina miasa raha tsy hita sy azo tsapain-tanana ny valin’ny fitakiana. Ho an’i Toamasina, Mahajanga sy Toliara dia nikatso tanteraka ny raharaham-pitsarana omaly, tsy nisy kosa ny tatitra mazava avy any amin’ny faritra hafa momba ny fizotry ny fitokonana. Tsikaritra ihany fa mampihatra ilay politikan’ny zarazarao hanjakana ny fitondram-panjakana amin’ity fiatrehana ny fitokonana eo anivon’ny fitsarana ity. Ny manitikitika ny rehetra izao dia ny hoe : hatraiza marina ny tena herin’ny SMM sy ny SGM ? Hahavita hanohy ny fitakiana ve izy ireo sa hilefitra amina marimaritra iraisana amin’ny fitondram-panjakana izay tsy maintsy hampiasa ny fahefany rehetra hampanginana ity hetsika ity ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.