Actualités

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany


  • Talata 31 Martsa 2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

 

 

 

Noho ny tsy fahazoan'ireo fanampiana ara-dalàna toy ireo mpamily taksibe sy mpamily fiara karetsaka no anton'izany nefa samy mamelom-bady aman-janaka avokoa, raha ny filazan’ny solontenan’izy ireo. Lasa misy fanavakavahana hoy izy ireo ny fanampiana antony nilazany tamin'ny fitondram-panjakana fa tokony avela hiasa tapak'andro izy ireo, izany hoe manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro rehefa tsy omena fanampiana araka ny tokony izy ihany. Anisan’ny nambaran’izy ireo fa tsy ampy ilay vary tapa-gony zaraina isan’olona , tsy mahavita ny ankohonanay io raha tsy miasa izahay satria misy aminay ireto no mana-janaka miisa 6, hoy ny resaka omaly tany Toamasina. Nilanja sora-baventy mihitsy moa izy ireo ary nivoaka hatramin'ny feo fa handeha hamaky magazay, antony nanaparitahana azy tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso, ary tena tsy nitsitsy ny mpitandro filaminana, izay efa nampitandrina fa tsy azo ekena ny fihoaram-pefy sy ny fanakorotanana ny filaminam-bahoaka na sanatria fikasana handroba. Marihina moa fa miisa 1911 ireo mpitondra tuk tuk ao Toamasina amin'izao. Mbola nihetsika ihany koa tetsy ankilan’izay ireo mpitondra cyclo-pousse ao Toamasina ary mitovy amin’ny fitakiana voalaza etsy ambony ihany no antony.Tsy ny tao Toamasina ihany moa no nitokona omaly fa nampiseho ny heriny ihany koa ireo mpitondra bajaj ao Mahajanga noho ny tsy fahafahany miasa. Nambaran'izy ireo fa manenjika volan'ny mpampiasa izy ireo nefa tsy afaka miasa. Ny fanampiana ihany koa anefa mbola baraingo. Antso avo araka izany no hatao amin'ny mpitondra hisorohana ny olana mety hitranga.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT