Actualités

Fitokonana fanairana Tsy hampianatra mandritra ny herinandro ny SECES


  • Zoma 05 Martsa 2010

Hanao fitokonana fanairana ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony (SECES), sampana Antananarivo, ny 8 ka hatramin’ny 15 martsa.

Tsy hisy fampianarana mandritra io fe-potoana io, araka ny tapaky ny mpikambana nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo omaly teny Ankatso. Fitakiana ny fampiharana ireo didim-panjakana miisa telo, mamaritra tambin-karama amin’ny fikarohana sy ny handoavana izany, izay efa tokony ho azo tamin’ny volana desambra 2009, ny famahana ny geja tsy fahafahana mandray mpampianatra vaovao eny amin’ny anjerimanontolo, nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ary ny fampitaovana, no anisan’ny voaresaka nandritra ny fivoriana omaly io, ankoatra ny lamina ankapobeny eny amin’ny anjerimanontolo. Re fa dia hiatrika fivoriana nasionaly ny SECES amin’ny herinandro ambony io, ka ho hita eo ny tohiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT