Nifamotoana teny Ankatso ireo mpampianatra mpikaroka sy ireo mpianatra omaly nanatanteraka ny “sit-in” izay fanehoana ny tsy fankasitsahana ny tsy firaharahain’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony ny olana araka ny filazan’ireo mpianatra ao amin’ny sampana fitantanana azy.
Efa naman’ny tapi-dalan-kaleha ihany moa ireto mpampianatra ireto ka izany no nahatonga ny fanapahan-kevitr’izy ireo nanao iny “sit-in” iny. Etsy an-kilany ny avy ao amin’ny minisitera dia nanamafy fa tsy mbola manana handoavana ny volan’ireto mpampianatra mpikaroka ireto ka tsy ho afaka ny hanao sonia ilay taratasy fanekena trosa nampanaovin’ny Seces. Ireo mpampianatra omaly dia mbola nivory nitokana indray ka nanambara fa tokony homena azy ireo ny tambin-karamany volana jolay ary tokony hataon’ireo minisitra roa sonia ilay taratasy fieken-trosa dia miverina miasa izy ireo. Mbola raikitra eo indray izany aloha ny toe-draharaha ka asa izay hiafarany fa ny mpianatra dia efa mitaintaina ny amin’ny taona fotsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.