Actualités

Fitokonan’ny mpiasan’ny Air Madagascar Mihena isan’andro ny mpizahatany any Toamasina


  • Talata 23 Jona 2015

“Tena fahavoazana iray lavaka ny fanomanana sy ny dokambarotra natao nahazoanay mpizahatany tokony ho tonga amin’izao vanim-potoana fahatongavany izao.

 

 Isan’andro maharay fanafoanana fitsidihana efa nomanina herintaona izahay, hany ka tsy misy afa tsy 1/3-n’ny mpamandrika ihany no tsy nanafoana ny diany…”. Ampahany amin’ny fitarainana avy amin’ireo mpikarakara mpizahatany ao Toamasina amin’izao fitokonan’ny mpiasan’ny air Madagascar izao io. Ho an’ny Arian-Tour dia ny 50%-n’ny tombony azo voatery hanonerana ny tsy fahafalian’ireo mpanjifany izay mazàna mpiasa mpitsangantsangana ka misy fotoana henjehina. Nanomboka ny 17 jona no ho mankaty ihany koa dia famandriana efa nomanina hatrany no voarain’izy ireo, manginy fotsiny ireo “ompa” sy “teny mahery” voarain’izy ireo amin’ny tsy fahafalian’ireo mpizahatany diso fanantenana ary ny tsy famerenam-bola ataon’ny air Mad amin’ireo tapakilany. Araka ny vaovao fantatra koa dia mpiasan’ny banky iraisam-pirenena sy ny birao momba ny asa iraisam-pirenena maromaro, tokony hamita iraka tany Analanjirofo no tsy afaka nanao izany ara-potoana vokatr’io fitokonan’ny mpiasan’ny air Mad io ihany. Ankoatra izay, ho an’ireo mpikarakara mpizahatany sy ireo trano fandraisam-bahiny, dia efa maty ny taona ho azy ireo amin’ity taona ity, ireo mpitsangantsangana anatiny indray no andrandrain’izy ireo atsy ho atsy.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT