Tandindonin-doza ireo mpianatra manerana ny distrikan’i Vohipeno, hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity. Nanambara mantsy ireo mpampianatra FRAM miisa 478 any an-toerana izay efa nitokona nanomboka ny talata lasa teo fa tsy hampanao fanadinana ireo mpianatra ireo raha tsy voaloa ny tambin-karamany. Roa volana eo ho eo izy io.
Raha ny fanazavan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul omaly dia olana avy amin’ny Tiavo sy ny banky tsy miankina iray any an-toerana no nahatonga ny olana. Notazonin’ity banky ity mantsy ny volan’ny tiavo raha tao amin’ny kaontin’ity farany kosa no nandrotsahana ny karaman’ireo mpampianatra FRAM ireo. Vokany, voatery ny minisitera no nisolo vaika izany izay mitentina 1 miliara sy 600 tapitrisa Ar. Ny minisitera indray aorian’izany no hitaky ny vola amin’ity banky tsy miankina iray ity mba hahafahana mamaha ny olana. Ny tanjona dia ny hahafahan’ny mpianatra manao fanadinana ara-dalàna ho tombontsoan’ny rehetra. Marihina moa fa efa nahazo ny tambin-karamany avokoa ireo mpampianatra FRAM any amin’ireo distrika hafa manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.