Actualités

Fitokanana zava-bita tao Toamasina Saika voatapim-bava i Roland Ratsiraka, tsy nampitenenina ny lehiben’ny Faritra


  • Sabotsy 21 Jona 2014

Notokanana omaly ireo lalana maromaro nasiam-panamboarana tao Toamasina tampon-tanŕna.

 Nanao rodobe tany an-toerana ny mpanatanteraka notarihin’ny filohan’ny Repoblika sy minisitra folo be izao. Hitatra any amin’ireo Distrika hafa ny asa fanamboarana, ka voakasik’izany ny lalam-pirenena faha-5 mihazo an’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra raha araka ny nambaran’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka. “Mariky ny demokrasia sy fampihavanana ny Malagasy ary mariky ny fampandrosoana, ny fahavitan-dalana tahaka izao”, hoy kosa Atoa Rajaonarimampianina Hery. Nandritra ireo hetsika fitokanana rehetra tao Toamasina ireo, dia tsy nahazo fitenenana na indray mandeha aza ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Efa saika notapenam-bava koa aza ny minisitry ny asa vaventy saingy nisy ny fifandresen-dahatra vao niova ny arofenitra, ireo minisitra tao anatin’ny delegasionina moa dia mpameno sehatra fotsiny ny ankamaroany, ka amin’ny fihaonana manokana ataon’izy ireo amin’ireo mpiasan’ny minisitera vao hanararaotra handray fitenenana. Anisan’ny tao anatin’ny delegasiona niara-dia tamin’ny filoha ihany koa Atoa Pierrot Rajaonarivelo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT