Fitezana tanora, fampandrosoana eny ifotony,…

Miara-misalahy ny TIM sy ny vahoakan’Alakamisy Fenoarivo


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2024

Ambohipihaonan’ny vahoakan’Alakamisy Fenoarivo omaly tao amin’ny Kianjan’i Soalandy,

fotoana namaranana ny « Tournoi Mendrika », fifaninana baolina kitra entina hitezana ny tanora tsy hivarilavo amin’ny zava-mahadomelina, tsy hidonanam-poana, fa tena hirona amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fampandrosoana ny tanàna. . Iray amin’ireo hetsika ara-tsosialy tontosain’ny Antoko Tiako i Madagasikara eny an-toerana tarihin-dRasolonirina Mendrika, hoenti-miara-misalahy hanasoavana ny kaominina io, ka miara-mientana ao anatin’izany ny mpikambana TIM eny ifotony na ny « base TIM », ny Fikambanana samihafa, ireo mpandraharaha, ny tanora, ny vahoaka,... Tao anatin’ny iray volana ny fifaninanana, nandrasain’ny fokontany rehetra miisa 5, nahitana ekipa teo amin’ny 14, ka nandray anjara mavitrika ireo tanora niandahy niambavy. Nandritra ny famaranana omaly no nanolorana fankasitrahana ny ekipa 4 voalahy, nahitana ondry, amboara, maillot, baolina,… Mbola hitohy amin’ny hetsika samihafa toy ny basket, ary mbola hisy indray aza ny « tournoi » amin’ny fetin’ny noely ho an’ny baolina kitra. Nankasitraka ny mpikarakara ary naniry ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao rahateo ny tanora, izay nosolon’i Hasina avy amin’ny Ekipan’ny OSCA izay nibata ny famaranana lehibe omaly. Nialoha an’izao dia efa nisy ny fanomezana « kits scolaires » ho an’ny ankizy nanala ny fanadinam-panjakana, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny Fokontanin’i Merinarivo, fanomezana lakana ho an’ny fokontany Ambohimasina hahafahana miampita ny reniranon’Andromba. « Mbola betsaka ny fampandrosoana hoentina ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarvo, ary miezaka manatanteraka ny vina iarahan’ny Antoko TIM tarihin’ny Filoha Marc Ravalomanana hanavotra ny Firenena. Manantena antsika rehetra fa izaho tokinareo, ary ianareo tokiko amin’ny fifanomezan-tànana ho an’ny fampandrosoana », hoy i Mendrika Rasolonirina. Fanambin’ny TIM ao an-toerana rahateo ny haka ny toerana eo anivon’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo hahafahana manana fahalalahana bebe kokoa hanatanteraka ireo vina hoentin’ny TIM mampandroso eo anivon’ny kaominina, iarahana amin’ny vahoaka eny ifotony.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT