Tonga ao Ambato Boeny ny 28 aogositra teo i Zoto efa-mianaka. Noraisin'ny Fokontany Ankaraobato izy ireo ny alin'ny nahatongavana tao ary olon-tsotra indray no nampiantrano azy efa-mianaka taorian’izay.
Salama tsara izy telo lehibe, dia i Zoto sy ny zanany roalahy lehibe fa ilay zandriny indrindra voalaza fa somary mikohokohoka. Niezaka nanome fitsabona sahaza azy ny fianakaviana nampiantrano azy ireo. Efa midongidongy tsy te handeha intsony ihany ilay zandry io, mety efa reraka ny dia saingy i Zoto tsy manaiky fa hanohy ny dia moramora ihany, hoy izy. Raha ny fikasan'izy ireo dia ny talata 1 septambra maraina no hiainga ao Ambato Boeny izy efa-mianaka. Nomarihin’i Zoto fa io no diany farany fa hanomboka hianatra amin’izay izy telo lahy kely rehefa tafody any Antsiranana izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.