Actualités

Fitehirizana otrikaina anaty zava-maniry Miara-miasa amin’ny siantifika ny FITRAMA


  • Alarobia 24 Mey 2023

Betsaka ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny orinasa mpitsabo malagasy FITRAMA, ny malagasy manana aretina. Miezaka mijery izahay, noho izany,

ao anatin’izany mijery ny fahefa-mividin’ny tsirairay, hoy ny filoha tale jeneraly teo aloha sady tomponandraikitry ny serasera, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Isan’ny antony nametrahanay ny laham-bika any amin’iny faritr’i Moramanga iny izany amin’izao fotoana izao. Betsaka ireo mila fitsaboana nefa tsy ampy ny enti-manany. Antony namerana ny saram-pitsaboana tsy hihoatra ny 30.000 na 40.000 Ariary izany. Mametraka ny politikan’ny sakafo koa izahay ankoatran’izay satria io sakafo io dia ny aretina rehetra toy ny «rhumatisme», fiakaran’ny tosidrà, aretin’andoha sy ny rehetra dia tena ilana azy daholo. Misy sakafo haririana fotsiny eto Madagasikara nefa ao ny mampiakatra hery fiarovana, ny manala makafoka, ny maha tanora lalandava sy ny rehetra. Any Mananjary sy Manakara izao aririana fotsiny ny voasary. Mila jerena hoe inona no sakafo ahitana proteine, vitamine, kalsioma, ny mamerina kaloria sy ny rehetra. Manomboka izao koa izany na mpatory an-dalana aza ato dia afaka misitraka fitsaboana. Iarahana amin’ireo siantifika ato ny fitehirizana na «conservation»-n’ny otrikaina anatin’ireo zava-maniry sy sakafo na eo aza ny resaka fahasimban’ny tontolo iainana. Miasa indrindra ao anatin’izany ny herin’ny tantely izay teny mitahiry ny hakanto sy hasin’ny tontolo iainana. Mitahiry sy manambatra ny tsiambaratelon’ny zava-maniry tsirairay avy ny tantely. Isan’ireo tsiambaratelo, ohatra, ny hoe misy zava-maniry toy ny voaroy hazo izao izay tsy azonao alaina amin’ny atoandro raha tsy tianao ho very ny heriny fa mila mifoha amin’ny 3 na 4 maraina ianao, hoy hatrany ny FITRAMA.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT