Actualités

Fitateran’olona an-tsokosoko Tompon’andraikitra iray no naiditra am-ponja


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antsirabe ny tompon'andraikitry ny fitaterana an-tanety ao amin'ny faritry Vakinakaratra ny zoma 15 mey teo noho ny fanararaotam-pahefana sy fampiasana ary fanamboarana taratasy hosoka.

 

 

 

 

Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa nampiasain'ity tompon'andraikitry ny fitanterana an-tanety ity nitondrana olona an-tsokosoko ireo fiarany no izao tra-tehaky ny polisy izao. Rehefa nosavaina anefa ny taratasin'ireo fiara ireo dia hita fa hosoka avokoa. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny polisy dia natolotra ny fitsarana ity farany ary notazomina am-ponja vonjy maika niaraka tamina olona iray. Mbola entina hiakatra eto an-drenivohitra ity talem-paritry ny fitaterana ity hanaovana famotorana ao amin'ny "pole anti-corruption".

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT