Fiara Camion Plateau miloko mena mitondra ny laharana 8040 TAE no nanaovan’ny mpitandro filaminana fampikarohana nanomboka omaly.
Nitondra olona antsokosoko tonga tao Antsirabe, izay avy any amin'ny faritra voarara tsy hivoaka izy io omaly 18 mey 2020 tamin'ny 4 ora hariva. Marihina fa nampandehanina tongotra ireo mpandeha rehefa mandalo barazy, saingy rehefa tonga ireo mpandeha dia tsy nanaiky ny mpiara-monina aminy, izay nahafantatra tsara ny fiaviany, hoy ny fanazavana. Voasambotra ary tsy maintsy nanome ny laharan'ny fiara nandehanany sy nandraisana fepetra. Izay mahita io fiara io na ny mpamily na ny toerana misy azy na sendra nandalovany dia iangaviana hilaza aminay hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nanome ny 034 14 005 55 na handefa hafatra miafina amin’ny facebook, na hilaza aminy mba hanantona ny biraon'ny Centre Opérationnel COVID 19 ato amin'ny Faritra, na ny mpitandro filaminana akaiky azy mba tsy hahasarotra ny raharaha. Ny valisoa azonao dia ny fanampianao ny mpiara-belona aminao, hoy ny mpitandro filaminana. Tsy vao izao no nisy tahaka ity tao Antsirabe, fa efa nisy olona avy tany Ambatovy tonga mangingina, saingy voamarina fa voan’ny Covid-19.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.