Actualités

Fitaterana Ny minisitera indray no manakorontana


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Tsy vitsy ireo olona mitaraina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny mpitatitra eto amintsika. Saika hita manerana ny kaoperativa rehetra izany. Anisan'ny tena hita sy mampikolay ny maro ny fihodinan'ny taksibe an-dalana, ny fanariana mpandeha, ny fakana ...

mpandeha amin'ny toerana tsy tokony hanaovana izany... Araka ny fanazavan'ny lehiben'ny koperativa Contrasmar eny Atsimondrano dia vokatry ny tsy fampiharana ny « cahier des charges » na bokin’andraikitra avokoa no mahatonga ireny. Efa ela, hoy ihany izy, no tokony ho foana tanteraka io tsy fanarahan-dalàna ataon'ny mpitatitra io saingy notsabahan'ny minisitera hatrany ny andraikitry ny ATT (Agence de Transport Terrestre) izay tena tompon'antoka 100 % amin'ny fanatanterahana izany. Vokany, betsaka ireo kaoperativa no tsy mbola manana bokin'andraikitra. Misy koa anefa ireo manana ihany saingy noho ny tsy fisian'ny komity mpanara-maso izany dia samy manao izay tiany atao ny mpitatitra sy ny mpamily. Raha tsorina ny resaka dia ilay fitsabahan’ny minisitera izany no nanakorontana ity resaka fitaterana ity, ka nitarika ny gaboraraka. Ho an'ny kaoperativa Contrasmar misy azy manokana dia notsindriany fa afaka 10 andro ny fampiharana azy tanteraka ary efa voarafitra tanteraka io bokin'andraikitra io. Hisy ny fampahafantarana ny andraikitra miandry ny mpamily sy ny mpanampy azy mandritra izany, tsy latsa-danja amin'izany ireo lalàna maro samihafa izay manafay azy ireo amin'ny zavatra tsy mety ataony. Anisan'izany ny fiakarana eo anivon'ny CODIS (COnseil de DIScipline).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT