Actualités

Fitaterana Atsimondrano Najoro ny mpanara-maso ho fampiharana ny "bokin'andraikitra"


  • Alarobia 25 Jona 2014

Gaboraraka ny fitaterana teny Atsimondrano nandritra ny dimy taona, hoy ny lehiben’ny Kaoperativa Cotrasmar fitaterana Atsimondrano noho ny tsy fahavitan'ny minisitera namoaka ny ny bokin'andraikitra na « cahier de charge ».

Mba hahafahana manatsara ny asa sahanin'izy ireo ary dia nanapa-kevitra  ny kaoperativan’Atsimondrano izay ahitana ny Zotra G, miaraka amin’ny Kaominina sy ny ATT fa hanao izay ho afany amin'ny fandrafetana io bokin'andraikitra io. Ny Alakamisy lasa teo no nanatanterahana izany mba hisian'ny fanaraha-maso akaiky ny asa sy hirindran'ny asa fandraharahana sahanin'izy ireo. Ny fahavitan’ity « Cahier de Charge » ity dia midika fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny fitsipika tokony harahan’ny mpamily sy ny mpanampy azy amin’ny fitondrana ny fiara fitateram-bahoaka, hoy i Maradona. Efa najoro koa ny CSC « Commission mixte de Contrôle » izay ahitana ny solontenan’ny Kaominina, ny Att, ny Kaoperativa, ny Mpanjifa ary ny Zandarimaria izay samy hanara-maso ny fampiharana ny lalàna eny rehetra eny. Afaka 10 andro no hanomboka ny fampiasana ny « Cahier de charge » sy ny fampiharana azy ho an’ny kaoperativan’Atsimondrano izay ahitana ny zotra G.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT