Nampiantso ireo lehibena kaoperativa mpitatitra tao Toamasina, ny talen’ny fitaterana atsinanana nanazavan’izy ireo ny tenimita avy amin’ny minisiteran’ny fitaterana, milaza ny fandaminana ny “Gare Routiere” sy ny eo anivon’ny kaoperativa mpitatitra nahazo alalana. Raikitra ary manomboka izao dia tsy maintsy olona 3 ihany no hita misahana ny “guichet” iray, ka ny iray mpandray ny mpanjifa ny roa hafa kosa misahana ny entan’izy ireo.
Napetraka ihany koa fa tsy maintsy manao fanamiana mitovy mampiavaka ny kaoperativa tsirairay izy ireo. Nomarihan’Atoa Famindra Germain Jacques talen’ny fitaterana atsinanana, fa “natao izao fandaminana izao hialana amin’ireo mpanera maro be mampisaritaka ny ‘Gare Routiere’, indrindra ho an’ireo mpanao fitaterana mianavatr’i Toamasina”. An-kilan’izay, mangataka ny hampitomboana ireo mpiasa ho 5 ny kaoperativa, indrindra ny mpanao fitaterana nasionaly, ka ny iray mpisahana ny mpandeha ny efatra kosa misahana ny entan’ny mpanjifa. Mbola fangatahana moa no nisy ka miandry ny fanapahan’ny minisiteran’ny fitaterana ny fampiharana izany. Ankoatra izay, efa niakatra nanomboka ny zoma teo ny saran-dalana zotra nasionaly, ka 20.000 Ar ny saran-dalana mihazo an’Antananarivo, 23.000 Ar kosa ny mihazo an’Ambatondrazaka. Tsy mbola nampiakatra ny azy kosa ny zotra rejionaly, izay tsy mbola nahatonga fangatahana tsy maintsy hapetraka 15 andro eo anivon’ny talen’ny fitaterana ihany koa izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.