Actualités

Fitateram-bahoaka Tazanim-potsiny ny tsy fanarahan-dalŕn’ny taksibe


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Tsy hoe fitiavana hanakiana be fahatany na koa fankahalana fa dia iaraha-mahita ny zava-misy. Tsy vitsy ny olona no mitaraina ny amin’ny afitsok’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitr’Antananarivo

Tsy misy izay tsy mahita ny rehetra fa ny taksibe izao no mametraka ny lalàny, izy ireo indray no mibaiko ny mpandeha. Ny tsy fanarahana izay voarakitry ny bokin’andraikitra efa tsy lazaina intsony, voalaza ao anatin’izany mantsy ny karazana tondro zotra tokony arahin’ny taksibe: ny ora, ny lalana sy ny fepetra maro samihafa tokony arahin’ny taksibe. Raha ny hita mantsy amin’izao fotoana dia tsy mifanaraka velively amin’izay ny zava misy. Manoloana izany rehetra izany dia mitazam-potsiny ireo mpandrindra ny fifamoivoizana miasa manodidina ny fiatoana eo amin’ny Fiaro Ampefiloha satria dia hitan’izy ireo tsara ny fiara avy eny Itaosy tokony ho any Analakely na Tsaralalàna mihodina eo ary efa mitandahatra be saingy tsy miraharaha izany ry zareo sa sanatria efa misy ny fifanarahana ? Raha nanontaniana ny avy eo anivon’ny seraseran’ny polisim-pirenena ny kaomisera Ranaivoson Alexandre mahakasika izany dia nilaza mazava izy fa “n’iza n’iza tsy misy ambonin’ny lalàna, ary izay mandika lalàna tsy maintsy faizina avokoa araka ny tandrify azy ireo”. Na izany aza dia efa misy ny drafi-piaraha-miasa iaraha-midinika amin’ny ATT entina handrindrana ny fitaterana eto an-drenivohitra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT