Actualités

Fitateram-bahoaka any Betafo-Antsirabe Mitaraina ny Garduc Vakinankaratra


  • Zoma 12 Jona 2020

Ato anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny Firenena izao, misy ny toro-marika isan-karazany nomena sy napetraky ny Fitondram-panjakana ho tsy maintsy hajaina sy harahan’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka,

 

 

 

 

 ny mpandraharaha fa indrindra ny mpisehatra eo amin’ny fitanteram-bahoaka izay anisan’ny lalana iray mampiparitaka haingana ny famindrana ny aretina, amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Nefa raha ny re sy hita eo amin’ny sehatry ny fitanteram-bahoaka, taxi-brousse Betafo - Antsirabe ary ny miakandrefana amin’ny lalam-pirenena RN.34 iny dia fantatra fa misy ny gaboraraka fa manao izay tiany atao ireo mpitatitra sasany. Mahavelom-panontaniana hoe misy ihany ve ny tompon’andraikitra tokony hanara-maso izany sa dia tena efa avela manao izay tiany hatao ny rehetra ? Misy ireo tsy manaraka ny toro-marika toy ny amin’ny isan’ny olona tokony ho entiny nefa ny saran-dalana dia miakatra : misy ny raha 2 000 ariary teo aloha dia lasa 3 000 ar amin’izao, ny 1 500 ar lasa 2 500 ar, ny 5 000 ar lasa 10 000 ar sns… Tena tsy zakan’ny mpandeha izany nefa tsy maintsy aloa noho ny asa aman-draharaha sy ny fitadiavana. Ka velon-taraina mafy ny mpanjifa dia manantonany ny « GARDUC Madagascar Sampana Faritra Vakinankaratra » izay tarihin’Atoa Ratiariniaina Jean Theobert « Ra-Theo FIBEMIH », izay ao Betafo ny Biraony amin’izany tsy fahamarinana mitranga sy mihantra amin’izy ireo izany. Koa manaitra ny sain’ny mpitondra Fanjakana ambony hijery ny zava-misy ka hanaitra ireo tompon’andraikitra samihafa mifanandrify amin’izany toy ny ATT, ireo mpitandro filaminana. Fa indrindra ny solon-tenam-panjakana ao an-toerana toy ny Lehiben’ny Distrikan’ny Betafo izay sady Filohan’ny “comité de vigilance” komity manaramaso ny tsy maintsy hanajan’ny rehetra ireo toro-marika samihafa hiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT