FITARAINANA ENY ANIVON’NY FOKONTANY

Mitombo ny isa ireo mpivady mikasa hisaraka


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Mila tsy ho voafehin’ny Fokontany intsony ny adin’ny mpivady eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina sefom-pokontany iray teny Atsimondrano teny mantsy dia efa tafakatra 10 isan-kerinandro ireo olona miantso azy mikasika izany na andro na alina. Ny tena loza hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia misy amin’izy ireo no tsy azo halamina intsony fa mikasa ny hisaraka mihitsy. Vokatry ny fikasihan-tanana hataon-dralehilahy amin’ny ankapobeny no tena mahatonga ity farany raha eo ihany koa ny fampirafesana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny tsy fanomezana vola nefa fotoana fidiran’ny mpianatra izao, ny fitsoahana andraikitra ho an’ny sasany izay mahavita tsy mody an-trano intsony fa miferin’aina amin’ny famelomana ny ankizy… Raha tanora fanahy moa no tena betsaka amin’ireo mpivady miady teo aloha hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia efa marobe ihany koa ireo olona nivady an-taonany maro no mikasa hifandao. Vokatry ny tsy fananan’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana izay miteraka ny tsy fahampian’ny vola ao an-tokantrano intsony sy ny tsy fahaloavana ny hofantranon’olona no antony mahatonga izany. Tsiahivina moa fa mahatratra 60 isa isan’andro ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga eny amin’ny tribonaly amin’izao. Tsy tonga dia vita eo noho eo anefa izany fa mbola in-telo mampihavana ny mpivady ny tribonaly raha kely vao miroso amin’ny dingana famaranana.
Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT