Tena mahasarika olona marobe tokoa amin’izao ireo karazana fitaovana hahafahana miady amin’ny delestazy.
Anisan’izany ny panneaux solaire. Betsaka ireo tranom-barotra mbola manana azy ireo no sady manao fihenam-bidy ihany koa. Ho an’ny eto amintsika dia ao amin' ny tranombarotra « Baolai » etsy Analakely, Soarano sy Bazar - be Toamasina no ahitana izany. Mitohy koa ilay fihenam-bidy goavambe ao amin’ireo vata fahita lavitra ho an’ny Smart Tv sy Télé Led, misy manomboka 32 hatramin' ny 85 pouces ary ny Laser tv 100 pouces izay misy antoka 1 taona hoy ny tompon' andraikitra. Ity Tranombarotra lehibe iray ity no « Représentant officiel » ny toshiba eto amintsika raha tsiahivina. Maro ihany koa entana vaovao hita ao, izay mifanaraka amin' ny fahefana mividy sy filan’ny daholo be. Ao ny synthétiseur, Laser Tv 120" izay misy antoka 1 taona , ny subwoofer, ny four à gaz sy elektrika, ny machine à café à capsule, ny congélateur izay mitazona hatsika 135 ora aorinan' ny delestazy, ny panneaux solaires mono sy polychristallinsizay ilaina tokoa amin' izao delestazy lava reny izao …
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.