Actualités

Fitantanana ny RNM Nandray ny toerany i Raherinandrasana Tharcisius


  • Zoma 03 Febroary 2023

Nandray ny toerana maha talen'ny Radiom-pirenena malagasy na RNM azy ny mpanao gazety Raherinandrasana Tharcisius omaly 2 febroary rehefa avy nankatoavin'ny filankevitry ny minisitra ny 1 febroary ny fanendrena azy.

Tsy vaovao amin'ny asa eo anivon'ny haino aman-jerim-panjakana intsony ny tenany ary efa nisahana andraikitra manan-danja na teo anivon'ny televizionina na teo anivon'ny radio izay taninketsa niaingan'i Tharcisius Raherinandrasana", hoy ny fanazavana. Efa nisahana ny fitaleavana iraisam-paritr'Analamanga sy Vakinankaratra ny tenany ary lehiben'ny sampan-draharahan'ny fampahalalam-baovao teo anivon'ny Televiziona Malagasy. Ny traikefany, ny fahavononany no anisan'ny antony nanosika ny minisitera hanendry azy amin'io toerana io. Nanatrika ny lanonana famindram-pitantanana ny Sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina, Ralaimazava Johary, nisolo tena ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT