Fitantanana ny harena voajanahary

Napetraka ny rafitra fizaram-baovao an’habaka


  • Talata 16 Aprily 2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

an’habaka anatin’ny TGRNR (Transfert de la Gestion des Ressources Naturelles Renouvelables) eto Madagasikara. Mamaritra ny fanakinana ny fiarovana ny harena voajanahary ho an’ireo vondron’olona ifotony ny TGRNR nanomboka ny taona 1996 amin’ny alalan’ny lalàna laharana 96-025 momba ny fitantanan’ny vondron’olona ifotony ny harena voajanahary. Isan’ny olana amin’ny fitantanana izany eto Madagasikara anefa ny tsy fahampiana eo amin’ny fifanamozam-baovao eo amin’ireo mpiantsehatra. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny antontan-kevitra azo antoka mikasika ny tena zava-misy mifandraika amin’ny fitantanana ifotony ny harena voajanahary eto Madagasikara. Izay indrindra no nananganana ity « système d’information en ligne » na rafitra ifanakalozam-baovao an’habaka ity, raha ny fanamarihana. Eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy izay tohanan’ny WWF izy io, ka hahafahana manovo vaovao mikasika ny TGRNR manerana an’i Madagasikara. Azo arahina sy jerena ao anatin’io ny antontam-baovao samihafa toy ny karazan’ireo harena voajanahary tantanana (an-tanety, an-dranomasina), ny toerana misy azy, ny velarany, ny faharetan’ny fitantanana nifanarahana, ny tan-tsoroka teknika sy ara-bola,… Ahafahan’ireo rafi-pitantanana ny ala, ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana, ny rafitra ara-panjakana sy tsy miankina sy ny rehetra mahazo vaovao vaovao azo antoka sy mahomby eo noho eo. Voalaza fa ahafahana mandray fepetra sy fanapahan-kevitra eo noho eo mikasika ny fitantanana ny harena voajanahary ihany koa. Mahatratra 2 129 ny fifanarahana famindram-pitantanana harena voanjanahary ho an’ny vondron’olona ifotony 1 559, miantsoroka velarana 3 3396 554ha misy harena voajanahary, toy ny ala, ala honko, renirano, ary harena samihafa,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT